saint dominique

Iza moa i Md Dominique?

Mpitoriteny mahafatram-po, Mpanorina ny fikambanam-be ny Mpitory na ny "Ordres des prêcheurs"


 
Photo Caleruega
Caleruega: tanana nahaterahan' i Masidahy Dominika
 
 
Masindahy Dominique dia teraka tao Caleruega Vieille Castille ( Espagne ) tamin’ny taona 1170. Nandrato ny fianarana théologie sy philosophie tao amin’ny sekoly Palancia izy. Ny taona 1196 izy no niaraka taminy dadatoany ary nikatroka tao amin’ny Katedraly Ausma ka niara niaina tao izy ireo. Niaraka tamin’ny Eveka nanao iraka izy ka tonga hatrany Europe avaratra. Tamin’izany no nahafantarany nisinisy kokoa ny fiainan’ny fiangonana sy naha liana azy ny amin’izany.
 
Nitory ny vaovao mahafaly araka ny fomban’ny Apôstôly izy niaraka tamin’ireo namany notendrena hanao izany iraka izany. Nanirery i Dominique taty aoriana satria maty nisy namono avokoa ireo namany. Nandeha irerey izy ary tanàna maro no voatetiny tao Europe. Ny taona 1215 izy no niverina tany Toulouse ka nanorina fikambanana les frères pêcheurs.
 
sary frera dominikanina
Ireo frera dominikanina, Image : Eglise catholique en France
 
 
Nampanarahany ny fitsipik’i Masindahy Augustin moa io fikambanana io. Nitombo ny ankohonampiainana ka nihitatra hatrany Espagne sy Angletrre, Pologne,… ! Ary tany Italie no natao ny chapitre général voalohany tamin’izany tamin’ny 1220. Tamin’izany no namaritana ny lalampanorenan’ny fikambanan’ny frères Pêcheurs nantsoina taty aoriana hoe Dominicain.Ny tena nimasoany dia ny famonjena ny fanahy, ka nampianariny ny vokatsoa azo avy amin’ny fandiniha-tena ny olona. Nodimandry tao Bologne ny 8 Aogositra 1221moa i Dominique.
 
Ny faha-08 ny volana Aogositra no tatokan'ny fiangonana hankalazana ny fetiny
 
Ny Dominique dia avy amin’ny teny Latinina “Domenicus” midika hoe natolotra hoan’Andriamanitra
 
 
Miarahaba ireo rehetra ao anatin'ny fianakaviam-be Dominikanina rehetra sy ireo mitondra ny anarana hoe Dominika, Tsaroana ihany koa ianareo mankalaza ny Tsingerintaona ny faha 08 ny volana aogositra
 
Source: olomasina RDB
 
 

Neuvaine

Aimer et Servir