Saint dominique

Andro voalohany: i Md Dominika, olon'ny fangoraham-po

Hasivian'andro iarahana amin'i Md Dominika


Andro voalohany: i Md Dominika, olon’ny fangoraham-po

Bible icon

Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo, sy ny fangoraham-pony ho an’izay mibebaka aminy”

Eklesiastika 17, 24

 
Masindahy Dominìka Nunez de Guzman dia teraka tany Calaruega (Espagne) tamin'ny taona 1170. Taranak’andriana Espanola izy. Ary olona ambony manan-kaja ny ray aman-dreniny. Felix Nunez de Gùzman no anaran’ny rainy ary Jeanne d’Aza no reny niteraka azy. Araka ny boky nosoratan’I Jourdain de Saxe, isan’ny lehiben’ny “Maître de l’Ordre”, mikasika ny fiandohan’ny fahitan’i Jeanne renin’I Md Dominika. Dia rahefa nitondra vohoka azy ary i Jeanne reniny, dia nahita fahitana anankiray toy ny hoe: ny zaza izay haterany dia naka endrika alika kely anankiray mitondra fanilo eo am-bavany ka vonona hampiely ny afo entiny amin’ny tany manerana izao tontolo izao.
Afaka mieritreritra àry isika fa ny fianakaviany no nikasa azy ho amin'ny fanjakana mpitondra fivavahana. Dia niha-nitombo sy niha-lehibe araka izany izy. Ary nananany ny toe-panahy miavaka ho an’ny olon-drehetra. Fony izy nianatra tany Palencia, dia nisy mosary lehibe niely saika nanerana an’i Espaina. Nampihetsi-po azy ny fahorian'ny malahelo sy ory ary ireo vahoaka marobe matin’ny mosary. Nirehidrehitra tamin'ny fangorahana azy ireo ny fon’i Md Dominìka. Tokana ihany anefa ny fanapa-kevitra noraisiny dia ny hankatò ny torohevitry ny Tompo mba hampiasany ny heriny rehetra hanamaivanana ny fahorian’ ny mahantra izay efa ho fatin’ny mosary. Tena olona tia fianarana tokoa anefa i Md Dominìka, boky no fitaovana tsy foiny satria tena ilainy ary nanampy azy indrindra tamin’ny fianarany. Nefa dia namidiny avokoa ireo boky nananany ireo na dia tena mbola nilainy sy nahitany soa sarobidy ho azy aza. Ary toy izany koa ny fananany rehetra teo am-pelan-tanany, mba hanohanany sy hanavotany ny mahantra izay tena am-bavahaonan’ny fahafatesana noho ny mosary ihany. Nanao asa fiantrana izy avy eo, ary ny ambin’ny fananany moa naparitany nomeny ny mahantra avokoa. Mba ho tanteraka ilay voalazan’ny soratra masina hoe: “Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho, dia hahita fiadanana ho an'ny fanahinareo ianareo.” (Matio 11, 29)
 
 
celebrant

Mivavaha ho anay ry Md Dôminìka

 
public

Mba ho tonga mendrika hahazo ny nampanantenain’i Jesoa Kristy izahay.

 
celebrant

Aoka isika ivavaka:

 
Praying Hands

Ry Andriamanitra Trinite Masina mamela heloka sy mahatoky, nataonao ho “malemy fanahy sy manetry tena ao am-po” i Md Dominìka rainay, nanahaka ny endriky Jesoa Zanakao, koa ny ohatra nomeny feno fangoraham-po sy fiantrana, ary ny vavaka ataony anie hohainoanao mba hazoanay ny valin’ny fangatahanay Aminao. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay no angatahanay izany. Amen!

 
 
 

Vavaka fangatahana fahasoavana mandritra ny hasivianandro amin’i Md Dominique

 
Ry Md Dôminìka, fanta-daza tamin’ny finoana an’i Kristy, nandao ny harena sy ny voninahitry ny tany ianao mba hanaraka ny fiainana feno fahantrana sy fijaliana izay nampiavaka ireo mpianatr’i Kristy, ilay nilaza hoe « Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. ».
 
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny halehiben’ny fahamasinanao; sy ny fahasoavana manokana izay nampiavaka anao. Mihanta aminao aho, mitalaho amin’Andriamanitra Ray ny fahasoavana ahafahako mamongotra ato am-poko izay rehetra tsy mendrika eo imasony, indrindra ny fahazaran-dratsy izay mahalavo ahy matetika. Mihanta aminao koa aho ry Md Dominika, mivavaha ho ahy mba hahazoako ny fahasoavana izay angatahiko mandritra izao hasivianandro izao : .........................(Mangina kely milaza ireo fahasoavana irinao angatahina)
 
Ry Maria Renin’Andriamanitra be voninahitra, Mpanjakavavin’ny Raozery Masina indrindra, izay nitia an’i Md Dôminìka tamin’ny fitiavan-dreny, ary notiaviny sy nohajainy fatratra, jereo amin’ny fo miantra izahay noho ny fahamendrehany, ka ento miaraka aminy eo amin’i Jesoa Zanakao izany fangatahanay izany. Maniry izahay manomboka izao, ny ho tia an’i Jesoa Zanakao amin’ny fonay manontolo sy ny herinay rehetra, ary mametra-tena eo ambany fiarovanao, mba hahazoanay ny fahasoavana rehetra hanompoanay Azy amim-pinoana ety an-tany, ka hiara-paly Aminy mandrakizay any an-danitra. Amen!
 
 
 
 
 
 

andro voalohany

Aimer et Servir