Saint dominique

Andro fahaenina: I Md Dominika feno hatsaram-panahy sy hafaliana

Hasivian'andro iarahana amin'i Md Dominika


Andro fahaenina: I Md Dominika feno hatsaram-panahy sy hafaliana

Bible icon

“Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.”

Hebrio 11, 8

 
Lehilahy, manam-pinoana sy matahotra an’Andriamanitra i Md Dominìka de Guzman, hany ka feno fahamasinina tanteraka ny zavatra rehetra izay nataony. Na ireo rahalany aza tsy mbola nahita an’i Md Dominìka tezitra izany, toa an’i frera Paoly izay avy any Venise ohatra, ary vaky vava mihitsy niteny hoe: “na dia reraka mafy tamin’ny fandehanan-tongotra lavitra, sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly azy I Md Dominika dia tsy mbola naneho endrika ratsy tamin’ny namany velively izany mihitsy izy”. Satria tokoa mantsy ny fahanginana, ny fananana finoana ary ny firesahana amin’Andriamanitra no lalam-pifaliana nentin’i Md Dominìka, naneho ny firaiketam-po tamin’ny famatsiana ny Tenin’Andriamanitra, an’ireo mino na koa ho an’ireo tsy mino, toy ny « Cathares ». Tsy mba nisy korontana izany ny fiainan’i Md Dominìka de Guzman, noho ny fanekeny tam-pitiavana sy tamim-panetretena an’i Jesoa, ho loharanom-pandresena amin’ny ratsy rehetra eo amin’ny fiainana.
«Fa Izy no natsangan’Andriamanitra am-pahibemaso ho sorom-panonerana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany, noho Izy tsy dia mamaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferana: dia hampiharihary ny fahamarinana Izy amin’andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina izay entanin’ny finoana niainan’ i Jesoa. » (Rômanina 3, 25-26)
 
 
celebrant

Mivavaha ho anay ry Md Dôminìka

 
public

Mba ho tonga mendrika hahazo ny nampanantenain’i Jesoa Kristy izahay.

 
celebrant

Aoka isika ivavaka:

 
Praying Hands

Ry Andriamanitra Trinité Masina be fitiavana ô, Ianao no nanome anay an’i Md Dominìka de Guzman ho mpitaridalana anay, koa mangataka Aminao izahay, mba omeo hasina sy hafaliana ireo olona izay miaina ao anatin’ny fijaliana mafy: toy ireo marary mangetaheta fahasitranana, nefa tsy manana ny fahafahana hitsaboana tena, sy ho an’ireo izay any amponja tsy mba misy mpikarakara ihany koa. Ampianaro izahay hahay hampiasa ny fotoananay sy hahay hanararaotra izao fiainana mandalo izao handalinana sy hianarana ny Teninao ary hakana tahaka Anao Jesoa Kristy Tomponay. Omeo anay ny fo mahatsapa ho babon’ny Fitiavanao, ka hitandremanay ny hasarobidin’ny Vatanao sy ny Ranao masina. Amen!

 
 
 

Vavaka fangatahana fahasoavana mandritra ny hasivianandro amin’i Md Dominique

 
Ry Md Dôminìka, fanta-daza tamin’ny finoana an’i Kristy, nandao ny harena sy ny voninahitry ny tany ianao mba hanaraka ny fiainana feno fahantrana sy fijaliana izay nampiavaka ireo mpianatr’i Kristy, ilay nilaza hoe « Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. ».
 
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny halehiben’ny fahamasinanao; sy ny fahasoavana manokana izay nampiavaka anao. Mihanta aminao aho, mitalaho amin’Andriamanitra Ray ny fahasoavana ahafahako mamongotra ato am-poko izay rehetra tsy mendrika eo imasony, indrindra ny fahazaran-dratsy izay mahalavo ahy matetika. Mihanta aminao koa aho ry Md Dominika, mivavaha ho ahy mba hahazoako ny fahasoavana izay angatahiko mandritra izao hasivianandro izao : .........................(Mangina kely milaza ireo fahasoavana irinao angatahina)
 
Ry Maria Renin’Andriamanitra be voninahitra, Mpanjakavavin’ny Raozery Masina indrindra, izay nitia an’i Md Dôminìka tamin’ny fitiavan-dreny, ary notiaviny sy nohajainy fatratra, jereo amin’ny fo miantra izahay noho ny fahamendrehany, ka ento miaraka aminy eo amin’i Jesoa Zanakao izany fangatahanay izany. Maniry izahay manomboka izao, ny ho tia an’i Jesoa Zanakao amin’ny fonay manontolo sy ny herinay rehetra, ary mametra-tena eo ambany fiarovanao, mba hahazoanay ny fahasoavana rehetra hanompoanay Azy amim-pinoana ety an-tany, ka hiara-paly Aminy mandrakizay any an-danitra. Amen!
 
 
 
 
 
 

Aimer et Servir