Saint dominique

Andro fahaefatra : i Md Dominika, fonenan'ny Fanahy Masina

Hasivian'andro iarahana amin'i Md Dominika


Andro fahaefatra : i Md Dominika, fonenan'ny Fanahy Masina

Bible icon

« Zovy no nahalala izay sitra-ponao, raha tsy nomenao ny fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony? »

Fahendrena 9,17

 
Tahaka ny fiainan'ny olomasina tamin'ny “Moyen Âge”, ny tantaran'i Md Dominìka dia manomboka amin'ny angano nefa tantara tena marina. Raha ny fihetsika feno fiantrana nataon'i Md Dominìka ho an’ny mponina tao Palencia tokoa mantsy dia nanampy an’i Diego, Eveka sady “Prieur du Chapitre” nitondra ny katedraly tao Osma, nahatsapa fa olon’ny Fanahy Masin’Andriamanitra tokoa I Md Dominìka. Ny fanetren-tena no fototry ny fahalavorariana, ary ny fanetren-tenan’i Md Dominìka dia sady lalina no mavesa-danja. Nazava tsara taminy ny fahalalana ny halehiben’ny fiandrianan’Andriamanitra manoloana ny maha-tsinontsinona ny olombelona miohatra amin’izany, ka nahatonga azy niaina mandrakariva tao anatin’ny fatahorana masina sy ny fanaovana ho tsinontsinona ny tenany. Na dia tsy nanan tsiny aza izy dia nihevitra ny tenany ho mpanota tsy mendrika ny fahasoavana kely akory. Tsy mitsahatra ny miankohoka manoloana an’Andriamanitra izy, mivavaka mandritra ny fotoana maharitra araka ny fomba efa mahazatra azy ihany. Mialoha ny idirany ny tanàna iray hitory teny dia mandohalika eo an-dàlana izy, mitalaho amin’Andriamanitra mba tsy hanafay ny mponina ao noho ny fahotan’izy ireo fa kosa mba hampamokatra amin’izy ireo ny asa fitoriana izay ho ataony. Fantany mantsy fa ny herin’ny Fanahy Masin’Andriamanitra dia mahova zavatra tsy takatry ny sain’olombelona ary tsy hita pesipesenina. Rehefa mandalo Ôtely masina na Hazofijaliana izy dia miankohoka am-panajana maneho ny maha-tsinontsinona ny tenany. Ankahalainy ny laza sy ny voninahitra ka intelo izy no nandà raha voatendry ho Eveka. Nandritra ny fivoriana faratampon’ny frera dôminikanina dia hoy izy tamin’ireo rahalahiny: “Tokony hoesorina amin’ny maha-mpitarika ahy aho satria tsy mitandrina sy varimbariana.” Ny olomasina na dia manana hatsaram-panahy tonga lafatra aza dia mihevitra ny tenany ho tsy manana fahamendrehana akory satria hitany ny tenany manoloana ny fahazavan’Andriamanitra. Hoy i Md Dominìka: “Ny fahamarinantsika raha oharina amin’ny fahamarinan’Andriamanitra dia toy ny fahalotoana.”
“Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka ny Kristy.” (1 Kôrintianina 11,1)
 
 
celebrant

Mivavaha ho anay ry Md Dôminìka

 
public

Mba ho tonga mendrika hahazo ny nampanantenain’i Jesoa Kristy izahay.

 
celebrant

Aoka isika ivavaka:

 
Praying Hands

Ry Trinite Masina Fitiavana ô, ny Herin’ny Fanahy Masina izay ratovinay avy Aminao mandavan-taona anie hanampy sy hankahery ary hanafana no fonay mba hahafahanay mandresy ny herin’ny maizina tahaka ny oha-piainana navelan’i Md Dôminìka ho anay. Enga anie ny Fanahinao Masina, izay nomenao ho antoka ho anay tamin’ny Pantekôty ry Jesoa Zoky, hanilo mandrakariva ny masom-panahinay sy hanazava tsy an-kijanona ny sainay ny amin’ny fanatanterahana izay sitrakao eo anivon’ny fiainanay manontolo, amin’ny lafiny rehetra. Amen!

 
 
 

Vavaka fangatahana fahasoavana mandritra ny hasivianandro amin’i Md Dominique

 
Ry Md Dôminìka, fanta-daza tamin’ny finoana an’i Kristy, nandao ny harena sy ny voninahitry ny tany ianao mba hanaraka ny fiainana feno fahantrana sy fijaliana izay nampiavaka ireo mpianatr’i Kristy, ilay nilaza hoe « Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. ».
 
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny halehiben’ny fahamasinanao; sy ny fahasoavana manokana izay nampiavaka anao. Mihanta aminao aho, mitalaho amin’Andriamanitra Ray ny fahasoavana ahafahako mamongotra ato am-poko izay rehetra tsy mendrika eo imasony, indrindra ny fahazaran-dratsy izay mahalavo ahy matetika. Mihanta aminao koa aho ry Md Dominika, mivavaha ho ahy mba hahazoako ny fahasoavana izay angatahiko mandritra izao hasivianandro izao : .........................(Mangina kely milaza ireo fahasoavana irinao angatahina)
 
Ry Maria Renin’Andriamanitra be voninahitra, Mpanjakavavin’ny Raozery Masina indrindra, izay nitia an’i Md Dôminìka tamin’ny fitiavan-dreny, ary notiaviny sy nohajainy fatratra, jereo amin’ny fo miantra izahay noho ny fahamendrehany, ka ento miaraka aminy eo amin’i Jesoa Zanakao izany fangatahanay izany. Maniry izahay manomboka izao, ny ho tia an’i Jesoa Zanakao amin’ny fonay manontolo sy ny herinay rehetra, ary mametra-tena eo ambany fiarovanao, mba hahazoanay ny fahasoavana rehetra hanompoanay Azy amim-pinoana ety an-tany, ka hiara-paly Aminy mandrakizay any an-danitra. Amen!
 
 
 
 
 
 

Andro faha-efatra

Aimer et Servir